FLASH INFOS

Maevantanana – Toby fiantsonana manaraka ny fenitra iraisampirenena

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany, zoma 01 jolay 2016 ny toby fiantsonana Maevatanana. Nitarika ny lanonana ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ireo manam-pahefana maro toa ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’Andro, Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina.

Toby fiantsonan’ny fiara na ny « gare routiere » izay harifomba tokoa sady manaraka ny fenitra iraisampirenena satria afaka mandray fiara an-jatony ny parking izy ity. misy koperativa 18 no mampiasa azy ity ka ny 07 amin’ireo koperativa nationaly, 06 regionaly ary 05 kosa ny koperativa sub-urbaine. Misy fiara 50 isan’andro no mivezivezy eo. Ahitana efitrano fidiovana sy fahadiovana ary misy efitra 02 lehibe handraisana ireo mpandeha nationaly sy regionaly. Ny filoham-pirenena kosa no angady nanana nahafana nampiditra Jiro tao amin’ity gare routiere ity. Fiaraha-miasa tamin’ny vondrona eropeana kosa nahafana nanao ny tetik’asa IRCOD. teo aloha dia eo afovoan’ny tanana no misy ny stationnement ka mitabataba sady mandoto ny tanana ihany koa. ny Biraon’ny Poste dia efa nandefa taratasy tany amin’ny Chef de region mba hanalana io stationnement satria betsaka ireo olona no manary maloto sady maimbo ihany koa. noho ny fisian’ny gare routiere ity izany dia sady fanitarana ny tanana no mamorona asa vaovao ihany koa toy ny mpivarotra, ny mpitatitra bajaj na ny taxi no sady madio ihany koa ny tampon-tanana. mila ihany koa ireo mpanao reservention eny amin’ny birao ny koperativa.

MTM

Related posts

A blog about Wordpress design, development , Software and inspiration http://themesharebd.blogspot.com